2 Corinthians 1

1Paoly, apostoly iray an’i Kristy Jesosy tamin’ny sitrapon’Andriamanitra, sy Timoty rahalahintsika, ho an’ny fiangonan’Andriamanitra izay ao amin’ny Korinto, ary ho an’ireo mpino rehetra manerana ny faritry Akaia. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Tompo Jesosy Kristy.

3Ho deraina anie ny Andriamanitra sy Rain’ny Tompontsika Jesosy Kristy. Izy no Rain’ny famindram-po rehetra sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra. 4Andriamanitra dia mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra, ka mba ahafahantsika mampionona ireo izay ao anaty fahoriana. Isika dia mampionona ireo hafa tahaka ny fampiononana izay nampiasan’Andriamanitra ampiononana antsika.

5Fa tahaka ny hitomboan’ny fijalian’i Kristy nohon’ny aminay, no hitomboan’ny fampionona anay koa amin’ny alalan’i Kristy. 6Fa raha nampahoriana izahay, izany dia ho an’ny fampiononana sy famonjena anareo. Ary raha nampiononona izahay, izany dia ho an’ny fampiononana anareo. Ny fampiononanareo dia mandaitra rehefa manam-paharetana hizara ireo fijaliana izay mitovy amin’ny fijalianay koa. 7Fa ny fahatokisanay momba anareo dia azo antoka, satria izahay dia mahafantatra fa ianareo koa dia mizara ireo fijaliana, ianareo koa dia mizara fampiononana.

8Fa tsy tianay ianareo tsy ahafantatra, ry rahalahy, ny amin’ireo olana nanjo anay tany Asia. Izahay dia novesarina tanteraka mihoatran’izay tokony ho zakanay, betsaka loatra ka tsy nanantena ny hiaina ela intsony izahay. 9Teo aminay tokoa ny fanamelohana ho faty. Fa izany no nahatonga anay tsy hametraka ny tokinay eo amin’ny tenanay ihany, fa kosa amin’Andriamanitra izay mampitsangana ny maty. 10Nanavotra anay tamin’ny loza mahafaty tahaka izany Izy, ary mbola hanavotra indray. Izahay dia nametraka ny tokinay taminy fa mbola hanafaka anay indray Izy.

11Izy dia hanao izany satria ianareo koa dia manampy anay amin’ny alalan’ny vavakareo. Ary maro avy eo no hanome fisaorana amin’ny anaranay noho ny tombom-pahasoavana nomena anay tamin’ny alalan’ireo vavaka ny maro.

12Izahay dia mirehareha amin’izao: fijoroana vavolombelona ny amin’ny feon’ny fieritreretanay. Fa tamin’ny fikasana madio sy fahatsoram-po izay avy amin’Andriamanitra izay nitondranay ny tenanay ao amin’izao tontolo izao. Izahay dia nahavita izany rehetra izany ary ny ankabeazany niaraka taminareo—tsy tamin’ny fahendren’izao tontolo izao, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra. 13Izahay dia tsy nanoratra zavatra tsy ho voavaky na ho azonareo. Izaho dia manantena fa, 14satria ianareo nahazo ny momba anay amin’ny ampahany, izahay dia ho anton’ny reharehanareo amin’ny andron’ny Tompontsika Jesosy, tahaka anareo ho antony hireharehanay.

15Satria natoky ny momba izany aho, dia te ho any aminareo aloha, mba hahafahanareo mahazo tombony amin’ny fitsidihana roa. 16Niomana ny hitsidika anareo rehefa teny amin’ny lalako ho any Makedonia aho. Ary avy eo dia mbola naniry hitsidika anareo indray aho tamin’ny diako avy any Makedonia, ary ny mba hanateranareo ahy teny amin’ny lalako ho any Jodia ay eo.

17Rehefa nieritreritra toy izany aho, nisalasala ve aho? Nanomana ireo zavatra ireo araka ny nofo ve aho, mba itenenako “Eny, eny” sy “Tsia, tsia” amin’ny fotoana iray ihany? 18Fa satria Andriamanitra dia mahatoky, isika dia tsy afaka ny hiteny na “Eny” na “Tsia.”

19Fa ny Zanak’Andriamanitra, Jesosy Kristy, izay nitorian’i Sylvanosy, Timoty ary izaho taminareo, dia tsy “Eny” na “Tsia.” fa Izy dia niteny foana hoe “Eny.” 20Satria ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra dia “Eny” avokoa ao aminy. Ka amin’ny alalany koa isika dia hiteny hoe “Amena” ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.

21Ary Andriamanitra izay manamafy anay aminareo ao amin’i Kristy, ary Izy no naniraka antsika. 22Izy dia nanisy tombo-kase tamintsika ary nanome ny Fanahy ho ao am-pontsika ho antok’izay mbola ho omeny antsika ao aoriana.

23Fa niantso an’Andriamanitra aho, hijoro vavolombelona ho ahy izay antony tsy nahatongavako tao Korinto mba hamindrako fo aminareo. Izany dia tsy sanatria noho izahay miezaka ny mamehy izay tokony ho finoanareo. Fa kosa, izahay dia miara-miasa aminareo amin’ny fifalianareo, satria ianareo mijoro ao amin’ny finoanareo.

24

Copyright information for PltULB